Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 11:8 - Baiboly Katolika

Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tavany ao an-davaky ny baziliky.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, Ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky ny menarana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.

Jereo ny toko



Isaia 11:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha; ary hihavana aminao ny biby dia amin’ny tany.


Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony, izay manangana ady amiko lalandava;


Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin’ny farany, ary hanindrona toy ny menarana.


Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray, ny zanak’ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.


Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.


Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Mikotrika atody menarana izy, sy manenona tranon-kala: izay mihinana amin’ny atodiny, ho faty; ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.