Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 11:13 - Baiboly Katolika

Ny fialofan’i Efraima ho foana; ny fandrafian’i Jodà hitsahatra; i Efraima tsy hialona an’i Jodà intsony; ary i Jodà tsy handrafy an’i Efraima intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitsahatra ny fialonan’i Efraima ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda; tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hitsahatra ny fialonan’i Efraîma ary ho foana ny fankahalàn’i Joda: i Efraîma tsy hialona an’i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an’i Efraîma intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitsahatra ny fialonan’i Efraîma ary ho foana ny fankahalàn’i Joda: i Efraîma tsy hialona an’i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an’i Efraîma intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitsahatra ny fialonan’i Efraima, Ary hofongorana ny fandrafiana an’ i Joda: Efraima tsy hialona an’i Joda, Ary Joda tsy handrafy an’i Efraima.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitsahatra ny fialonan’i Efraima ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda; tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda.

Jereo ny toko



Isaia 11:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra, ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.


Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa manangona ny taranak’i Israely, avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho, dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo, eo imason’ny firenena; ka honina eo amin’ny taniny, izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.