Isaia 10:8 - Baiboly Katolika Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governora ambany fahefako ireny? DIEM PROTESTANTA Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko? Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny? Malagasy Bible Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny? La Bible en Malgache Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governora ambany fahefako ireny? |
«Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà: Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.
ataony mahatoky tsy manana ahiahy ihany ireo, fa ataony andry maso eny amin’izay alehany.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Tsy toa an’i Karkemisa va no nahazo an’i Kalnô, tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata? ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?
Koa ankehitriny manaova fanekena amin’ny tompoko, ny mpanjakan’i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy!
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. -
Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
Noho izany ny vatany nijoroaka, lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha; ny sampany nihalehibe; ny rantsany, nihalava, noho ny habetsahan’ny rano, tamin’ny fotoana nitomboany.
Na manao fanatitra amin’ny firenena aza izy, dia novoriko hamely azy ireny; ka hangozohozo izy, amin’ny fotoana fohifohy, tsindrian’ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.