Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 10:11 - Baiboly Katolika

moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sary sampiny?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin’i Samaria sy tamin’ny andriamani-tsiizy notompoiny ve no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin’i Samaria sy tamin’ny andriamani-tsiizy notompoiny ve no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va No hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?

Jereo ny toko



Isaia 10:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Moa ny andriamanitry ny firenena, samy nahavonjy ny taniny avy, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?


Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.


feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.


Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao efa nanapaka anay koa; fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.


Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?


ary nanipy ny andriamanitr’ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.


Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.