Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra. Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony.
Hosea 8:3 - Baiboly Katolika Efa boboky ny soa anefa i Israely; ka aoka hoenjehin’ny fahavalo izy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Arian’ny Israely ny soa ka ny fahavalo no hanenjika azy. DIEM PROTESTANTA dia efa nolavin’i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia efa nolavin’i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo. Baiboly Protestanta Malagasy Ataon’ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy. Malagasy Bible Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy. La Bible en Malgache Arian’ny Israely ny soa ka ny fahavalo no hanenjika azy. |
Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra. Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony.
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.
Fa izy ireo nananga-mpanjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an’ireo Aho; nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.