Navelan-dRôbôama anefa ny hevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra,
Hosea 6:10 - Baiboly Katolika Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely; fa ao no ijangajangan’i Efraima, sy andotoan’i Israely tena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely. DIEM PROTESTANTA Zava-maharikoriko no hitako tao amin’ny fanjakan’i Israely. Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao ka mahaloto an’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zava-maharikoriko no hitako tao amin’ny fanjakan’i Israely. Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao ka mahaloto an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Tao amin’ny taranak’Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: Ao ny fijangajangan’i Efraima, voaloto Isiraely. Malagasy Bible Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely. La Bible en Malgache Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely. |
Navelan-dRôbôama anefa ny hevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra,
noho ny fahotan’i Jerôbôama izay nataony sy izay nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’izany.
Izany no tonga, dia noho ny zanak’i Israely nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, avy teo ambanin’ny fahefan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.
Noho izany izao no lazain’i Iaveh: «Manontania ny firenena ianareo: Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany? Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.
Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.
Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
Nivadika tamiko i Oôlibà; fatra-pitia an’ireo lehilahiny izy, dia ny Asirianina izay nifanila aminy.
ka izay nokendreny hijangajangany dia izay voafantina rehetra amin’ny zanaka lahin’i Asiria; ary teo anilan’ireo rehetra ireo, izay nahamatim-pitia azy, dia nandoto tena tamin’ny sampin-dozan’ireo.
Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
Mahalala an’i Efraima Aho ary tsy takona amiko i Israely; ary ianao, ry Efraima, nijangajanga, ary i Israely nandoto tena.