Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin’ny fotoana mety. Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
Hosea 5:10 - Baiboly Katolika Ireo mpifehy an’i Jodà efa toy ny mpamindra faritra; hampidiniko amin’izy ireo ny fahatezerako toy ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka. DIEM PROTESTANTA Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an’i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an’i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako. Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, Ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. Malagasy Bible Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. La Bible en Malgache Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka. |
Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin’ny fotoana mety. Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
Aoka hihamaizina tsy mahita intsony ny masony; ampangozohozoy mandrakizay ny valahany.
Ny manomboka ady, dia toy ny manata-drano, ka mihataha ianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra.
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
Toy ny fandrendrehana volafotsy ao anaty memy no hahavoarendrika anareo ao afovoany, dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh, nampidina ny fahatezerako taminareo.
Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminareo; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.
ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.
Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.
Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.