Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 4:18 - Baiboly Katolika

Raha vao avy misotro izy ireo, dia rafitra mijangajanga. Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy.

Jereo ny toko



Hosea 4:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»


Manjaka amin’ny firenena Andriamanitra, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Izy.


Aza mandray kolikoly fa mahajamba ny mahiratra ny kolikoly, ka tsy ahombiazan’ny ady marina.


Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?


Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.


Hihinana izy fa tsy ho voky; hijangajanga fa tsy hitombo; satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.


Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.


Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.


Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.


Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!


Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.


Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry sy mampivadika ny tenin’ny marina.


Tsy mba nanara-dia azy ny zanany, fa nivily nanao izay hahazoana, nandray kolikoly sy nandika ny fahamarinana.