Hosea 2:25 - Baiboly Katolika Hafafiko amin’ny tany ho Ahy i Israely, ary hanao famindram-po amin’i Lô-Rôkama Aho sy hilaza amin’i Lô-Amì hoe: «Vahoakako ianao,» ary izy hanao hoe: «Andriamanitro». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao! DIEM PROTESTANTA Eo amin’io tany io i Jizrehèla, no hataoko miorim-ponenana; ho tiako i Lô-Rohamà ary i Lô-Hamỳ hitenenako hoe: «Vahoakako ianao»; ary izy kosa hamaly Ahy hoe: «Andriamanitro Ianao». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eo amin’io tany io i Jizrehèla, no hataoko miorim-ponenana; ho tiako i Lô-Rohamà ary i Lô-Hamỳ hitenenako hoe: «Vahoakako ianao»; ary izy kosa hamaly Ahy hoe: «Andriamanitro Ianao». Baiboly Protestanta Malagasy Dia hafafiko ho Ahy amin’ny tany izy; Ary hamindra fo amin’i Lô-rohama Aho Sady hanao amin’i Lô-amỳ hoe: Oloko hianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao. La Bible en Malgache Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao! |