Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 11:7 - Baiboly Katolika

Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ny Avo aza izy, Samy tsy mety miainga akory.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory.

Jereo ny toko



Hosea 11:7
18 Rohy Ifampitohizana  

Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta, sokafy ny vavanao dia hofenoiko.


Ny tsy mivavaka, ho vokin’ny lalany, ny tsara fanahy, ho vokin’ny soa nataony.


Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.


Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.


Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -


Ary hoy i Iaveh tamiko: I Israely ilay mpiodina no niseho ho marina ihany, raha miolotra amin’i Jodà ilay mpivadika.


Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo tany Ejipta, ka mandrak’androany, dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho, naniraka azy vao maraina isan’andro aho;


kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy, tsy nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.


Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»


Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.


I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!


Satria i Israely efa naditra, toy ny vantotr’ombivavy mitokona; ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy toy ny zanak’ondry eny amin’ny tany lemaka malalaka.


Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.