Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 11:4 - Baiboly Katolika

Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ny valanoranony Aho Ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko



Hosea 11:4
14 Rohy Ifampitohizana  

Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaizako amin’ny tsora-kazon’olombelona, sy ny kapoky ny zanak’olombelona.


Nangataka izy ireo dia nandefasany papelika, ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy,


Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.»


Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanao amin’ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.


Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»


Ary Izaho rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.»


Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;


I Iaveh irery no nitondra azy; fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.


ary ny hero-dronono avy amin’ny ombivavy sy ny rononon’ondry, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, sy ny ondralahy teraka tany Basàna sy ny osilahy, ary ny vary faran’izay tsara indrindra; ary ny ran’ny salohim-boaloboka no nosotroinao dia ny divay mandroatra.