Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»
Hebreo 4:4 - Baiboly Katolika Ary na efa vita tanteraka hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany, dia hoy Izy, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito hoe: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra, tamin’ny andro fahafito; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny iray, araka izao: «Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito» (Gen 2.3). DIEM PROTESTANTA Fa misy teny anankiray izay, ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: «Dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa misy teny anankiray izay, ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: «Dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny anankiray araka izao: ,,Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito’’ (Gen. 2.3). Malagasy Bible Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). La Bible en Malgache Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny iray, araka izao: «Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito» (Gen 2.3). |
Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»
Ho famantarana mandrakizay ho Ahy sy ny zanak’i Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra.»
Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.
Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao Azy?
Satria izay miditra amin’ny fialan-tsasatr’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy koa.