Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
Hebreo 4:10 - Baiboly Katolika Satria izay miditra amin’ny fialan-tsasatr’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy. DIEM PROTESTANTA Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy. Malagasy Bible Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. La Bible en Malgache Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy. |
Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.
Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina niandry kely aloha mandra-pahafenon’ny isan’ny mpanompo namany sy ny havany, izay hovonoina toa azy koa.