Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 9:13 - Baiboly Katolika

Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Apetrako eny amin’ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Apetrako eny amin’ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny avako efa napetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany.

Jereo ny toko



Genesisy 9:13
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Andriamanitra: «Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra:


Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana.


Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.


Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.


Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik’emeraoda ny seza fiandrianana.