Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:5 - Baiboly Katolika

Nihena niandalandalana ny rano, hatramin’ny volana fahafolo, ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon’ireo tendrombohitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon’ireo tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko



Genesisy 8:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,


Nisintona tsikelikely teo ambonin’ny tany ny rano nandroso nihemotra, ka nony afaka dimampolo amby zato andro, dia nietry izy.


Ary tamin’ny volana fahafito, andro fahafito ambin’ny folon’ny volana, dia niantsona teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara.


Nony afaka efapolo andro, i Nôe dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara,