Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:19 - Baiboly Katolika

Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny zavamanan-aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambo-fiara araka ny karazany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara.

Jereo ny toko



Genesisy 8:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.


Dia nivoaka i Nôe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny.


Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.


amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.