Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: «Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.»
Genesisy 8:17 - Baiboly Katolika Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny. DIEM PROTESTANTA Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zavamanan-aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ny tany ireny. Malagasy Bible Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny. La Bible en Malgache Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny. |
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: «Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.»
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
«Mivoaha amin’ny sambo fiara ianao sy ny vadinao, ny zanakao lahy sy ny vinantovavinao miaraka aminao.
Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»
Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy, ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.