Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,
Genesisy 8:14 - Baiboly Katolika Ary tamin’ny volana faharoa, andro fahafito amby roapolon’ny volana, dia maina ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany. DIEM PROTESTANTA Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ny volana faharoa, dia maina ny tany. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany. |
Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,
Tamin’ny taona faharaika amby enin-jato, tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
Tamin’ny taona faha-31 nahalasan-ko babo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana faha-12, andro faha-27n’ny volana, dia nasandratr’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, ny lohan’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin’ny taona nahatongavany ho mpanjaka.
Tamin’ny taona faha-27, volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: