Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Genesisy 7:22 - Baiboly Katolika Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. DIEM PROTESTANTA Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny vavorona teny an-tanety. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny vavorona teny an-tanety. Baiboly Protestanta Malagasy Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. Malagasy Bible Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa. La Bible en Malgache Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. |
Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.