Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.
Genesisy 7:18 - Baiboly Katolika Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin’ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin’ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitombo ny rano ka nisondrotra be indrindra tetỳ ambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambofiara. DIEM PROTESTANTA Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambo-fiara. Malagasy Bible Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara. La Bible en Malgache Nitombo ny rano ka nisondrotra be indrindra tetỳ ambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambofiara. |
Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.
Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin’ny lanitra manontolo.
Esory amin’ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony; aoka ho afaka amin’ny fahavaloko sy amin’ny rano lalina aho.
Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.