Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 7:14 - Baiboly Katolika

dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko



Genesisy 7:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.


Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo.


Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;


Nanatona tsiroaroa izy ireo, avy amin’ny nofo rehetra manam-pofon’aina nankeo amin’i Nôe tao an-tsambo fiara.