dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.
Genesisy 6:19 - Baiboly Katolika Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitondranao roa avy isaky ny karazany ho ao anatin’ny sambofiara ny zavamananaina rehetra mba hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. DIEM PROTESTANTA Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. Malagasy Bible Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. La Bible en Malgache Ary hitondranao roa avy isaky ny karazany ho ao anatin’ny sambofiara ny zavamananaina rehetra mba hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. |
dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.
Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.