Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 50:21 - Baiboly Katolika

Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ankehitriny, aza matahotra hianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.

Jereo ny toko



Genesisy 50:21
13 Rohy Ifampitohizana  

Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.


Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.


Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.


Ka dia nonina tany Ejipta i Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany.


Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.


Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;


Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;


Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.


Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.


Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.