I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Genesisy 47:22 - Baiboly Katolika Ny tanin’ny mpisorona no hany sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin’i Faraôna ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen’i Faraôna azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara avy tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy. Izany no tsy nanakalozany ny tanin’izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. Malagasy Bible Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. La Bible en Malgache Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara avy tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy. Izany no tsy nanakalozany ny tanin’izy ireo. |
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneaka i Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta.
Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.
Dia hoy i Josefa tamin’ny vahoaka: «Voavidiko androany ho an’i Faraôna ianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany.
Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.
i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy angalana hetra, na haba na sara, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineanina, mbamin’izay rehetra manompo amin’io tranon’Andriamanitra io.
Reko koa fa tsy voaloa ny anjaran’ny Levita, ary efa samy nitsoaka ho any amin’ny taniny avy ny Levita sy ny mpihira niandraikitra ny fanompoana.
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?
Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.
Mitandrema tsy hanary ny Levita mandritra ny andro rehetra hahavelomanao ao amin’ny taninao.
Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,