Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»
Genesisy 47:16 - Baiboly Katolika Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman-ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. Malagasy Bible Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. La Bible en Malgache Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola. |
Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»
Dia nentiny nankany amin’i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen’i Josefa hanina izy ho takalon’ny soavaliny, sy ny andian’ondry aman’ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.
Izay milaza ny marina dia milaza ny mety, fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.