Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.
Genesisy 45:22 - Baiboly Katolika Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary samy nomeny akanjo indray miova avy izy rehetra, fa i Benjamina kosa dia nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo indimy miova. DIEM PROTESTANTA Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. Malagasy Bible Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. La Bible en Malgache Ary samy nomeny akanjo indray miova avy izy rehetra, fa i Benjamina kosa dia nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo indimy miova. |
Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.
Ary i rainy kosa nampitondrany ampondra lahy folo, nitondra tamin’izay vokatr’i Ejipta tsara indrindra; ampondra vavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dalana.
Dia hoy ny mpanjakan’i Siria: «Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.» Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena 6.000 sikla, ary akanjo impolo miova.
Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina niandry kely aloha mandra-pahafenon’ny isan’ny mpanompo namany sy ny havany, izay hovonoina toa azy koa.
Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.
Dia nentin’ny Fanahin’i Iaveh izy ka nidina nankany Askalôna. Ary namono olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an’izay nahalala ny ankamantatra. Raha efa izany niakatra nankany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran’i Samsôna.