Ka hoy izy: «Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kôpy ho andevoko, fa ianareo sisa kosa dia afaka.»
Genesisy 44:33 - Baiboly Katolika Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon’ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ireo rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny! DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny miangavy aho, tompoko, aoka ny tenako no hijanona hisolo toerana io zatovo io ho andevonao, fa izy kosa hiakatra hiaraka amin’ireo rahalahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny miangavy aho, tompoko, aoka ny tenako no hijanona hisolo toerana io zatovo io ho andevonao, fa izy kosa hiakatra hiaraka amin’ireo rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny. Malagasy Bible Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny! |
Ka hoy izy: «Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kôpy ho andevoko, fa ianareo sisa kosa dia afaka.»
Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin’ikaky, nanao hoe: ‹Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin’ny raiko mandrakizay aho.›
Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjò an’ikaky izany!»
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’i Iaveh: «Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin’ikaky no hasian’ny tananao!»
Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.»
satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo,
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.