Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»
Genesisy 44:19 - Baiboly Katolika Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: ‹Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Itompokolahy dia nanontany ny mpanompony hoe: Manana ray na rahalahy koa va ianareo? DIEM PROTESTANTA Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay. Baiboly Protestanta Malagasy Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? Malagasy Bible Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo? La Bible en Malgache Itompokolahy dia nanontany ny mpanompony hoe: Manana ray na rahalahy koa va ianareo? |
Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›