Hoy ny navalin’i Abimeleka: «Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa ianao tsy mampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao.»
Genesisy 44:15 - Baiboly Katolika Dia hoy i Josefa taminy: «Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy toa ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jôsefa taminy: –Ahoana no nanaovanareo izao zavatra izao? Tsy fantatrareo angaha fa ny lehilahy toa ahy izao dia mahay mamanta-javatra? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jôsefa taminy: –Ahoana no nanaovanareo izao zavatra izao? Tsy fantatrareo angaha fa ny lehilahy toa ahy izao dia mahay mamanta-javatra? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? Malagasy Bible Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? La Bible en Malgache Hoy i Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy toa ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? |
Hoy ny navalin’i Abimeleka: «Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa ianao tsy mampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao.»
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»
Nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: «Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin’ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako.
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.»
Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.»