Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:5 - Baiboly Katolika

Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy ampandehaninao izy dia tsy hidina izahay, satria hoy Ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy ampandehaninao izy dia tsy hidina izahay, satria hoy Ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.

Jereo ny toko



Genesisy 43:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.


Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.» Dia nataony izany.


Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»


Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.


Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao.


«Nahoana ianareo, hoy i Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: ‹Mbola manan-drahalahy?› »


Hoy ianao tamin’ny mpanomponao: ‹Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.›


Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe: ‹Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika;›


dia izao no navalinay: ‹Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.›


«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»