Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Genesisy 43:27 - Baiboly Katolika Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy? DIEM PROTESTANTA Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo i Jôsefa, sady nanampy hoe: –Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo i Jôsefa, sady nanampy hoe: –Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy? Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? Malagasy Bible Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? La Bible en Malgache Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy? |
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Dia hoy ny navalin’i Josefa tamin’i Faraôna: «Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Faraôna.»
Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»
Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.
ka mandehana faingana, tsenao izy, ary ilazao hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zanakao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Eny.»
dia naniraka an’i Adôrama zanany, hankany amin’i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin’i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka i Tôhò sy i Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy.
Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.
Dia nivily nankeo izy, ka niditra tao amin’ny tranon’ilay tovolahy Levita, dia ny tranon’i Mikasy, sy nanao akory azy;
Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.
Naniraka zatovo folo lahy i Davida ary hoy i Davida tamin’ny zatovo nanao hoe: «Miakara any Karmela ianareo, dia mankanesa ao amin’i Nabala, ka miarahabà azy amin’ny anarako.