Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»
Genesisy 42:12 - Baiboly Katolika Dia hoy izy taminy: «Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Josefa tamin’izy ireo: Tsia! Fa hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo! DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jôsefa taminy: –Tsia, fa hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jôsefa taminy: –Tsia, fa hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo. Malagasy Bible Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. La Bible en Malgache Hoy i Josefa tamin’izy ireo: Tsia! Fa hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo! |
Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»
Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»
Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.
Fa ny hamitaka anao no nahatongavany tatỳ ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra!»