Nampanaterin’i Jodà an’ilay Odolamita sakaizany, ny zanak’osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.
Genesisy 38:21 - Baiboly Katolika Nanontany ny olona tompon-tany teo izy nanao hoe: «Aiza ilay vehivavy janga nitoetra teo amoron-dalana tao Enaîma?» Fa hoy ny navalin’ny olona: «Tsy nisy vehivavy janga teto.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dRavehivavy izy hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay teo amoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. DIEM PROTESTANTA dia nanontany ny olona tao Henaîma hoe: –Aiza ilay vehivavy mpivarotena tamoron-dàlana teto iny? Ka hoy ny navalin’ireo azy: –Tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nanontany ny olona tao Henaîma hoe: –Aiza ilay vehivavy mpivarotena tamoron-dàlana teto iny? Ka hoy ny navalin’ireo azy: –Tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dàlana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. Malagasy Bible Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. La Bible en Malgache Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dRavehivavy izy hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay teo amoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. |
Nampanaterin’i Jodà an’ilay Odolamita sakaizany, ny zanak’osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.
Dia niverina tany amin’i Jodà izy, nilaza hoe: «Tsy nahita azy aho; ary lazain’ny olona tompon-tany aza fa hoe, tsy nisy vehivavy janga teo.»
Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.