Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.
Genesisy 37:23 - Baiboly Katolika Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahin’izy ireo ny akanjony, dia ilay akanjo misoratsoratra teny aminy; DIEM PROTESTANTA Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; Malagasy Bible Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; La Bible en Malgache Rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahin’izy ireo ny akanjony, dia ilay akanjo misoratsoratra teny aminy; |
Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.
Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka; ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano.
Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.
Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.»
Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.