dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Genesisy 36:1 - Baiboly Katolika Izao no taranak’i Esao, izay Edôma ihany: Naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Kanaana i Esao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto no taranak’i Esao na Edoma. DIEM PROTESTANTA Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao na koa i Edôma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao na koa i Edôma. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no taranak’i Esao (Edoma izany): Malagasy Bible Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany): La Bible en Malgache Ireto no taranak’i Esao na Edoma. |
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Edôma namaly an-kalozana ny taranak’i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin’ny namaliany azy ireo;
Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:
Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.