Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 34:24 - Baiboly Katolika

Neken’izay rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna ny tenin’i Hemora sy i Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy nanaiky ny soso-kevitr’i Hamôra sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforàna avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy nanaiky ny soso-kevitr’i Hamôra sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforàna avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay rehetra nivoaka tamin’ny vavahadin’ny tanànany dia nanaiky ny tenin’i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ny vavahadin’ny tanànany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany.

Jereo ny toko



Genesisy 34:24
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.


Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:


dia tapaka ho fananan’i Abrahama eo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany.


Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra ary ny biby mpitondra entany rehetra? Nefa aoka hoekentsika aloha ny teniny ary aoka izy hiorim-ponenana eto amintsika.»


Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.


Ny famorana, tsinontsinona; ny tsy famorana koa tsinontsinona; fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ihany no tena zavatra.