Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 34:21 - Baiboly Katolika

«Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin’ny tany, sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin’ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin’izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin’ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin’izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zanani-vavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika-vavy dia aoka homentsika azy kosa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy.

Jereo ny toko



Genesisy 34:21
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia honina aty aminay ianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany, na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany.»


Dia nankeo am-bavahadin’ny tanàna i Hemora sy i Sikema zanany, ka niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany nanao hoe:


Kanefa izao ihany no aneken’ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika: dia ny hoforàna tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika.


ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo ianareo, fa olo-marina; ka amin’izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin’ny tany ianareo.› »