Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.
Genesisy 34:16 - Baiboly Katolika Amin’izay ianareo homenay ny zanakay vavy; izahay haka ny anareo ho anay. Dia honina ao aminareo izahay, ka ho firenena iray ihany isika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia homenay anareo ny zanakay vavy ary ny zanakareo vavy kosa dia halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay ka ho firenena iray isika. DIEM PROTESTANTA Amin’izay dia homenay ho vadinareo ny tovovavinay, ary ny anareo kosa halainay ho vadinay; dia hiara-monina isika, ary hanjary firenena iray ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izay dia homenay ho vadinareo ny tovovavinay, ary ny anareo kosa halainay ho vadinay; dia hiara-monina isika, ary hanjary firenena iray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika. Malagasy Bible dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika. La Bible en Malgache dia homenay anareo ny zanakay vavy ary ny zanakareo vavy kosa dia halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay ka ho firenena iray isika. |
Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.
Izao ihany no azonay anekena ny hatakareo raha tonga tahaka anay ianareo, ka hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.
Fa raha tsy mety hihaino anay ianareo, sy hifora dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay.