Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 31:2 - Baiboly Katolika

Hitan’i Jakôba fa niova taminy ka tsy tahaka ny taloha intsony ny endrik’i Labàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hitan’i Jakoba ny tarehin’i Labana fa tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha intsony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hitan’i Jakôba nisoritra teny amin’ny tarehin’i Labàna fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitan’i Jakôba nisoritra teny amin’ny tarehin’i Labàna fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitan’i Jakoba ny tarehin’i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hitan’i Jakoba ny tarehin’i Labana fa tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha intsony.

Jereo ny toko



Genesisy 31:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.


Ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna dia nanao vava hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin’ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.»


Ary i Iaveh nilaza tamin’i Jakôba hoe: «Modia any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny havanao, fa homba anao Aho.»


Dia hoy izy tamin’ireo: «Hitako fa niova tamiko fa tsy tahaka ny taloha intsony ny tarehin-drainareo; fa efa nomba ahy ny Andriamanitry ny raiko.


fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.


Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»


Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha.


Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny,


Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany, vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.