dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
Genesisy 30:41 - Baiboly Katolika Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon’i Jakôba tao anatin’ny fisotroan-drano talaky mason’ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambanany eo anilan’ny tsora-kazo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Isaky ny miray ny ondry aman’osy matanjaka dia napetrak’i Jakoba tao anatin’ny fampisotroan-drano teo anoloan’ny mason’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny mba hiraisany eo anilan’ny tsorakazo. DIEM PROTESTANTA Koa isaky ny hikambana ireo biby matanjaka, dia napetrak’i Jakôba tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny tsora-kazo ireny mba hikambanany eo anoloan’ny tsora-kazo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa isaky ny hikambana ireo biby matanjaka, dia napetrak’i Jakôba tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny tsora-kazo ireny mba hikambanany eo anoloan’ny tsora-kazo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary na oviana na oviana no hikambanan’ny ondry aman-osy matanjaka, dia napetrak’i Jakoba teo anatin’ny tavin-drano teo anoloan’ny mason’ny ondry aman-osy ireny tsora-kazo ireny, mba hikambanany eo anilan’ny tsora-kazo. Malagasy Bible Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo. La Bible en Malgache Isaky ny miray ny ondry aman’osy matanjaka dia napetrak’i Jakoba tao anatin’ny fampisotroan-drano teo anoloan’ny mason’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny mba hiraisany eo anilan’ny tsorakazo. |
dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
Navahan’i Jakôba ny zanak’ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadika sy ny mainty rehetra amin’ny biby fiompy ananan’i Labàna. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an’ny tenany, ka tsy nakambany tamin’ny biby fiompin’i Labàna.
fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak’ondry osaosa no an’i Labàna, fa ny matanjaka kosa an’i Jakôba.