Hoy i Jakôba taminy: «Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko.
Genesisy 30:30 - Baiboly Katolika Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko? DIEM PROTESTANTA Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho? Baiboly Protestanta Malagasy Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko? Malagasy Bible Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko? La Bible en Malgache fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko? |
Hoy i Jakôba taminy: «Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko.
Dia hoy i Labàna: «Inona àry no homeko anao?» Ka hoy i Jakôba: «Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao.
Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.
Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
Indro fanintelony izao no vonon-ko any aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; satria tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ny tenanareo; ary tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany.
Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin’ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana.
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.