Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 30:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:30
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jakôba taminy: –Ny tenanao mihitsy no nahalala ny nanompoako anao sy izay nanjarian’ny biby fiompinao noho ny amiko.


Fa hoy indray i Labàna hoe: –Inona no karama haloako aminao? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Tsy misy haloanao amiko akory. Fa raha manaiky izao soso-kevitra izao ianao, dia hiverina hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao aho.


Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.


Misy fotoana itadiavana ary misy fotoana ahaverezana; misy fotoana itahirizana ary misy fotoana anariana;


Indro fa vonona aho izao ny hankatỳ aminareo fanintelony, nefa tsy hanahirana anareo. Ianareo manko no katsahiko fa tsy ny fanananareo; satria tsy ny zanaka no tokony hitady vola hikarakarana ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hitady vola hikarakarana ny zanany.


Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an’i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin’ny voly anana.


Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra