Hoy izy: «He! Mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy.»
Genesisy 29:6 - Baiboly Katolika Hoy izy taminy: «Tsara ihany va izy?» Hoy ny navaliny: «Tsara ihany izy ary inty tamy i Rasela zanany vavy, mitondra ny ondriny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy ireo: Tsara ihany izy! Ary indro, tamy Rahely zanany vavy mitondra ny ondry aman’osy. DIEM PROTESTANTA Fa nanontany ihany i Jakôba hoe: –Salama ihany ve izy? Dia hoy ireo taminy: –Salama izy, ary inty i Rahely zanany vavy fa tonga miaraka amin’ny andian’ondriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nanontany ihany i Jakôba hoe: –Salama ihany ve izy? Dia hoy ireo taminy: –Salama izy, ary inty i Rahely zanany vavy fa tonga miaraka amin’ny andian’ondriny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zanani-vavy mitondra ny ondry aman-osy. Malagasy Bible Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy. La Bible en Malgache Hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy ireo: Tsara ihany izy! Ary indro, tamy Rahely zanany vavy mitondra ny ondry aman’osy. |
Hoy izy: «He! Mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy.»
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?»
Ary hoy i Jôaba tamin’i Amasà: «Tsara ihany va izato ianao, ry rahalahy?» sady noraisin’i Jôaba amin’ny tanany havanana, ny somotr’i Amasà hanoroka azy.
Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.
Naniraka zatovo folo lahy i Davida ary hoy i Davida tamin’ny zatovo nanao hoe: «Miakara any Karmela ianareo, dia mankanesa ao amin’i Nabala, ka miarahabà azy amin’ny anarako.