Genesisy 29:10 - Baiboly Katolika Vao hitan’i Jakôba i Rasela, zanak’i Labàna, anadahin-dreniny, sy ny ondrin’i Labàna anadahin-dreniny, dia nanatona izy nanakodia ny vato nanarona ny vava lavaka fantsakana sy nampisotro ny ondrin’i Labàna, anadahin-dreniny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny fantsakana, ary nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman-osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman-osin’i Labana anadahin-dreniny izy. Malagasy Bible Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy. La Bible en Malgache Rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny fantsakana, ary nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny. |
Mbola, niresaka tamin’ireo teo i Jakôba, no tonga i Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa i Môizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny.