Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin’izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko.»
Genesisy 27:22 - Baiboly Katolika Dia nanatona an-drainy i Jakôba; ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy: «Ny feony dia feon’i Jakôba, fa ny tanany dia tanan’i Esao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao. DIEM PROTESTANTA Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jakoba nanatona an’Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba, fa ny tànana dia tànan’i Esao. Malagasy Bible Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao. La Bible en Malgache Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao. |
Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin’izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko.»
«Manatòna àry, hoy i Isaaka, mba hitsapako anao kely, na ianao tokoa no i Esao zanako, na tsia.»
Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny, ny tanany, ka dia nitso-drano azy.
Nony mby teo akaikin’ny tranon’i Mikasy izy ireo, dia fantany ny feon’ilay tovolahy Levita dia nanatona izy ka nanao tamin’io hoe: «Iza no nitondra anao nankatỳ? Maninona atỳ ianao? Manana inona atỳ ianao»