ka hoy izy: «Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po i Abrahama tompoko.
Genesisy 27:20 - Baiboly Katolika Fa hoy i Isaaka tamin-janany: «Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany, anaka?» Ka hoy i Jakôba: «I Iaveh Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Isaka tamin’ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Dia hoy izy: Satria NY TOMPO Andriamanitrao no nampahazo ahy. DIEM PROTESTANTA Nanontany azy kosa i Itsehàka hoe: –Ahoana no nahitanao haza faingana toy izao, anaka? Fa namaly izy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitrao no nampahatonga azy teo anatrehako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanontany azy kosa i Itsehàka hoe: –Ahoana no nahitanao haza faingana toy izao, anaka? Fa namaly izy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitrao no nampahatonga azy teo anatrehako. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Isaka tamin’ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany hianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy. Malagasy Bible Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy. La Bible en Malgache Fa hoy Isaka tamin’ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Dia hoy izy: Satria NY TOMPO Andriamanitrao no nampahazo ahy. |
ka hoy izy: «Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po i Abrahama tompoko.
«Manatòna àry, hoy i Isaaka, mba hitsapako anao kely, na ianao tokoa no i Esao zanako, na tsia.»
Hilaza lainga va ianareo hanamarina an’Andriamanitra, fitaka va no hataonareo hiarovana Azy?
«Tsy hanonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, fa tsy avelan’i Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.»