Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:15 - Baiboly Katolika

Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahy matoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahy aivo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nalain’i Rebeka ny fitafian’i Esao lahimatoany, dia ny tsara indrindra izay notahiriziny tao an-trano, ka natafiny an’i Jakoba zanany faralahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nalain’i Rebekà ny fitafian’ny lahimatoany izay tsara indrindra tao an-trano, ka natafiny an’i Jakôba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nalain’i Rebekà ny fitafian’ny lahimatoany izay tsara indrindra tao an-trano, ka natafiny an’i Jakôba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nalain-dRebeka ny fitafian’i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an’i Jakoba zanany faralahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nalain’i Rebeka ny fitafian’i Esao lahimatoany, dia ny tsara indrindra izay notahiriziny tao an-trano, ka natafiny an’i Jakoba zanany faralahy.

Jereo ny toko



Genesisy 27:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha naka i Jakôba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy.


Dia nofonosiny tamin’ny hodi-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony.


Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.


Fa hoy irainy tamin’ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,


«Tandremo ny mpanora-dalàna, izay finaritra mitsangantsangana amin’ny akanjo rebareba, te hoarahabaina eny amin’ny kianja, tia ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga mbamin’ny toerana voalohany amin’ny fanasana,