Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:45 - Baiboly Katolika

Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho dia indro tamy i Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha mbola tsy tapitra akory anefa ny teniko anakampo, dia tamy i Rebekà niantsoroka siny, dia nidina nankeo am-pantsakana ka nantsaka; ary hoy aho taminy: «Mba omeo aho hosotroiko, aza fady!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha mbola tsy tapitra akory anefa ny teniko anakampo, dia tamy i Rebekà niantsoroka siny, dia nidina nankeo am-pantsakana ka nantsaka; ary hoy aho taminy: «Mba omeo aho hosotroiko, aza fady!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho dia indro tamy i Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.

Jereo ny toko



Genesisy 24:45
14 Rohy Ifampitohizana  

Misotroa, fa hantsakako mbamin’ny ramevanao koa, no aoka ho ilay vady nalahatr’i Iaveh ho an’ny zanaky ny tompoko.›


Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.


Dia hoy ny mpanjaka tamiko: «Inona no tianao hangatahina amiko?»


Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;


Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho; mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.


Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana;


Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe:


Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;