Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.
Genesisy 24:22 - Baiboly Katolika Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo DIEM PROTESTANTA Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’orona volamena iray, lanjan’ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ny sekely folo, hatao amin’ny tànany; Malagasy Bible Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany; La Bible en Malgache Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo |
Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.
ka hoy izy: «Zana-jovy moa ianao? Mba lazao ahy kely izany. Ary mba misy toerana azonay andriana va ao an-tranon-drainao?»
Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tanan’ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan’ny rameva tao amin’ny loharano izy, ka nanao hoe:
Dia nanontany azy aho, nanao hoe: ‹Zanak’iza moa ianao?› Ary novaliany hoe: ‹Zanak’i Batoela, zanaka lahin’i Nakôra, izay naterak’i Melkà taminy, aho.› Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tanany.
Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Manadino ny firavany va ny zazavavy, sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady? Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy, hatramin’ny andro efa tsy hita isa!
Ka novidiko tamin’i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatôta, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin’ny folo.
Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba,
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.