Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›
Genesisy 24:17 - Baiboly Katolika Nihazakazaka nitsena azy ity mpanompo ka nanao hoe: «Mba avelao aho hisotro rano kely amin’ny sininao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nihazakazaka nitsena azy ilay mpanompo ka niteny taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. DIEM PROTESTANTA Fa nihazakazaka hihaona amin-drazazavavy ilay mpanompon’i Abrahama ka nanao hoe: –Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho azafady! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nihazakazaka hihaona amin-drazazavavy ilay mpanompon’i Abrahama ka nanao hoe: –Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho azafady! Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. Malagasy Bible Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho. La Bible en Malgache Nihazakazaka nitsena azy ilay mpanompo ka niteny taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. |
Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›
Dia niainga izy, ka nankany Sareftà. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: «Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko!»
Mitondrà rano hitsenàna an’izay mangetaheta! Ny mponina amin’ny tanin’i Temà, manatitra mofo ho an’ny mpandositra.
Eny an-tendrombohitra avo rehetra, eny an-kavoana avo rehetra hisy sakeli-drano aman-dranovelona, amin’ny andro famonoam-be, dia hianjeran’ny tilikambo.
tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy: «Mba omeo kely Aho hosotroiko»
Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy: «Nahoana Ianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina?» (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).